You are here

Fihaonana tamin'ny ambasadaoro.

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 23/05/2008 - 23:27

Araka ny re dia nisy fiantsoana fivoriana niarahana tamin'ny Andriamatoa Ambasadaoro tamin'ny 12 mey lasa teo teny amin'ny masoivohontsika, ka indro ny tatitr'izany fivoriana izany.

Marihina fa ny tenanay mpikarakara moa tsy nanatrika io fivoriana io satria tsy tratra antso, ka dia ny tatitra nataon'i Frera Vincent ao amin'ny Trinitera no vaovao azonay atolotra anareo eto. (Natao "dika-petaka" izy ity fa tsy nisy novaina afa-tsy ny mari-piatoana, ary isaorana indrindra i Frera Vincent nanao izany tatitra izany ho an'ny Malagasy eto Italia manontolo)

___________________________________________________________________________________

Ny harivan'ny alatsinainy 12 may 2008 tamin'ny 7ora nampiantso fivoriana taminay Andriamatoa Masoivohom-pirenena Malagasy eto Italia.

9 mianadahy izahay no nantsoina :

* 3 mirahalahy avy ao amin'ny fiangonana Katôlika dia i P. Joseph Rabenirina izay misolo toerana an'i Tompokolahy mompera Paul Louis vonjimaika, Ny presidant n'ny fiangonana sady conseillern'ny Ambasady :Mr Dama Junior, ary ny tenako Fr Vincent OssT.
* 3 mianadahy avy ao amin'ny Zanak'i Gasikara dia i Rado Ratsimananda Filoha, Jô Ravelomanantsoa sy Tahiry.
* Ary nisy telo koa avy ao amin'ny Fiangonana Protestanta dia i Ms Dany, Madame NINA ary Benja vadiny.
Ny anaran'ny Ambasadeurntsika moa dia Andriamatoa Jean Pierre RAZAFY ANDRIAMIHAINGO.
Tsotra ranamana ary hita fa liana sy vonona ny hanohy ary hanatsara izay vitan'ny teo aloha.

Nolazainy ary naverim-beriny ny teny hoe:
- Adidiny ny hikolokolo ny mpiray tanindrazana aminy, koa laham-pahamehana ny fampifanfandraisana ny Malagasy rehetra monina aty Italia.
- Nohadihadiany ny fisian'ny association eto Italy na lahika na relijiozy.
- Hajaina hoy izy ny libertén'ny tsirairay, tsy azon'ny ambasady atao ny misakana ny projet n'ny tsirairay fa manohana aza no tokony hataony, fa kosa raha hitany fa tsy mety dia mandefa fampitandremana izy.
- Ilaina hoy izy ny fahafantarana ny competencen'ny tsirairay, ary ny Malagasy tsirairay dia tokony hahatsapa fa manana orientation izy eo amin'ny fiainany.
- Mamporisika ny association koa izy mba hanana projet mazava ary am'zay ny ambasady dia andinika ny fanoavana sy ny fanohanana izany projet izany. Ka noho izany dia tsy tokony hisalasala mandefa projet any aminy.
- Ny kolotsaina koa dia novelabelariny tao ary dia tapa-kevitra fa hajoro ny ekipa mpilalao baolina daka, ary koa Toerana fanaovana fampisehoana ny zava-kanto any Madagasikara eto amintsika(Italia.
- Hamafisina koa hoy izy ny firaisan'ny Mpino fa io no antoka ahafahana mampifandray bebe kokoa ny malagasy rehetra.

Izay ary fa dia mirary soa ho an'ny Malagasy Trinitera rehetra mpamaky ity site ity.

Ciao
Fr Vincent Roma.

Loharanom-baovao http://www.trinitera.org/2008/05/fw-fihaonana-taminny-ambasadera.html...