You are here

Fihaonamben'ny Paroasy katolika Victoire Rasoamanarivo.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 07/10/2008 - 12:39

Hafaliana ho an'ny mpiandraikitra ny Paroasy ny manasa ny ankohonana katolika hifanotrona amin'ny fanokafana ny taona pastoraly amin'ny alahady 12 oktobra 2008 amin'ny 11 ora maraina eny amin'ny Bazilikan'i Md Giovanni Bosco, via dei Salesiani, 7

Efa nosantarina tamin'ny alahady faharoa tamin'ny volana septambra teo moa ny taona pastoraly 2008/2009 ao amin'ny paroasy katolika, koa dia hafaliana ho an'ny mpiandraikitra ny manasa ny ankohonana katolika hifanotrona amin'ny fanokafana izany amin'ny fihaonam-pianakaviana izay hatao amin'ny alahady 12 oktobra 2008 amin'ny 11 ora maraina eny amin'ny Bazilikan'i Md Giovanni Bosco, via dei Salesiani, 7 (Tuscolana).

Toa izao ny fandaharam-potoana :

10.30 : fahatongavana sy famerenana ny hira

11.00 : lamesa

Aorian'izany : dinidinika fandaminana ny fiainan'ny Paroasy, fiaraha-misakafo ary fiaraha-mikorana.

Iangaviana isika noho izany mba samy hivatsy ny sakafo hifampizarana toa ny mahazatra.

Entanina ho tonga marobe ary iangaviana mba hifampilaza.

 

 

Indro ny fanazavana ny làlana :

Eo amin'ny via dei Salesiani 7 no vavahady fidirana : Mandeha metro A direzione Anagnina, miala fermata Giulio Agricola dia mivoaka sy manaraka ny via Marco Fulvio Nobiliare tokony ho 250m eo dia tonga eo amin'ny Piazza dei Salesiani misy ilay Basilica ngeza be dia manaraka ilay grillage fefy iny dia eo ny vavahady.

Jereo eto ihany koa : via dei Salesiani.