You are here

Fifampiarahabana tratry ny taona 2011

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 09/01/2011 - 17:21

 

Fisaorana sy fankatelemana no atolotray Komity FFKM sy FFPM ary EKAR anareo rehetra tonga niara-nifaly ny 09 janoary 2011 lasa teo. Maromaroa ny toy ireny hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankinantsika mianakavy.

Isaorana koa ireo izay tsy tonga nefa niombom-bavaka. Isaorana manokana ireo izay nanentana sy nandray najara tamin'ny Litorjia. Misaotra anao manokana izahay Mompera Michael (ocd) tamin'ny sakafom-panahy nomaninao sy natolotrao ny EKAR. Isaorana koa ireo olobe, zaza, tanora ary isika rehetra, niara-nisalahy sy nifarimbona nanamasaka ny fety.

Misaotra anareo avy any Naples sy Cassino koa izahay fa tena nahafoy fotoana hiombonana amin'ny rehetra.

Homba antsika Andriamanitra Ray Tsitoha sy ny Fiadanan'i Kristy Jesoa ary ny fiombonana ao amin'ny Fanahy Masina mandritra ity taona vaovao diavintsika ity

 

Ny komity mpandrindra FFKM

_____________

(Misaotra an'i Sissi sy Lalatina nifampizara tamin'ny sary)