You are here

Fankalazana ny 29 marsa 213 teto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 25/03/2013 - 23:56

Tao amin'ny Fiangonana Protestanta tao amin'ny lalana IV Novembra no nankalazana ny fahatsiarovana ny olomangam-pirenena tamin'ity taona ity teto Roma. Natomboka tamin'ny fotoam-pivavahana tamin'ny 2 ora tolakandro izany. Mompera Pierre-Emile no nitarika ny fotoana ary M. Dany kosa no nizara ny tenin'Andriamanitra. Ny fanentanana hisian'ny fifankatiavana eo anivon'ny samy Malagasy sy ny fifanohanana am-bavaka ho an'izany, tsy ny aty ampitan-dranomasina ihany fa ny any an-toerana indrindra indrindra, no votoatin-kevitra nentiny tamin'izany.

Rehefa vita ny fotoam-pivavahana dia nifamotoana tao amin'ny rihana fahatelo ireo izay nanatrika nifampizara tsakitsaky sy zava-pisotro toa ny mahazatra.