You are here

Fandaharampotoan'ny Mondialido 2011

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 21/05/2011 - 21:23

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny Mondialido 2011, andiany faha-XIII izay handraisan'i Madagasikara anjara. Nahafinaritra ny fizotrany ka misaotra ny rehetra afaka nanatrika izany. Misaotra ny Tetezana Onlus nikarakara ny stand nampahafantarana an'i Madagasikara, ary misaotra ireo nitondra sakafo (nems, sambos, mofo baolina, vary sy laoka, zava-pisotro isan-karazany) fa tsy nitsanga-menatra ny Firenentsika.

Nahafinaritra ihany koa ny nentin'ny mpanentana nanolotra ny ekipantsika : "Madagascar, la squadra la più simpatica, eccoli con loro sorrisi..."

Ny sary tamin'izany dia efa azo jerena ato amin'ny tahirintsary.

Hanomboka izany ny fifanintsanana ka toa izao ny fandaharampotoana :

Mondialido 2011 Mondialido 2011 Mondialido 2011 Mondialido2011

Arak'io dia ny talata 24 mey amin'ny 9 ora  alina i Madagascar no hifandona amin'i Ecuador, ny alahady 29 mey amin'ny telo ora tolakandro hihaona amin'ny Republique Dominicaine ary alakamisy 2 jiona amin'ny telo ora tolakandro (andro fety io) no hiady amin'i Paraguay.

Tongava maro hihoby sy hanohana ary !!!