You are here

Fanasana ho an'ny ankizy malagasy.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 08/11/2007 - 09:24

Amin'ny alahady 11 novambra dia hisy fiaraha-mikorana karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus ho an'ireo ankizy sy tanora malagasy omban-dray aman-dreny.

Amin'ny alahady 11 novambra dia hisy fiaraha-mikorana karakarain'ny Fikambanana Tetezana Onlus ho an'ireo ankizy sy tanora malagasy omban-dray aman-dreny. Izany dia hatao eny :

Via Baiardo 5, Centro Sportivo Tevere Lazio, Tor di Quinto

Amin'ny 12 ora antoandro eo ho eo no fotoana, ka entanina ny isam-pianakaviana hivatsy ny sakafo hiaraha-mizara, fa ny zava-pisotro sy ny kojakoja rehetra (sotro, lovia...) dia adidin'ny fikambanana.

Ny tanjon'ny Fikambanana amin'izany dia mba hampihaona matetika ireo ankizy malagasy rehetra, hiara-hilalao sy hifaly avanja, ary nokasaina hodinihina ihany koa ny zavatra azo atao ho azy ireo miaraka amin'ny fotoana manaraka.

Ireo ankizy avy any Equateur nandray anjara niaraka tamin'ny ankizy malagasy tamin'ilay fialan-tsasatra tany San Donato di Val Cimino moa dia ao koa amin'io fotoana io satria izy ireo no mpampiantrano antsika ary izy ireo dia efa manana asa sosialy natokany ho an'ny ankizy, ka dia soa fianatra.

Tongava maro, tongava ara-potoana noho ny andro efa mihafohy ka maizina vetivety.

Mba hiangaviana indrindra mba hisoratra anarana izay ho avy, indrindra fa ny isan'ny ankizy hanamora ny fanomanana ny zavatra ho atao amin'izany ka dia afaka miantso an'i Andry Rakotomavo na mandefa sms amin'ny Tel.+39 3471432921 hatramin'ny zoma hariva.

Jereo eto ny lalana

NB
Araraotina ihany moa ny mampilaza eto fa ny Lamesa ao amin'ny Paroasy katolika Victoire Rasoamanarivo dia ny alahady 11 novambra amin'ny 10 ora. Ka mifanaraka tsara izany ireo fotoana roa ireo.

Misaotra antsika rehetra.