You are here

Fanasana fikoranana.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 13/08/2008 - 08:28

Faly manasa antsika Malagasy eto Roma sy ny manodidina, hikorana sy hitotorebika amin'ny zoma 15 aogositra 2008 manomboka amin'ny 9 ora alina ao amin'ny "Centro Baobab", via Cupa 5 (mifanapaka via Tiburtina).

Ny fikambanana "Tetezana Onlus", ny "Namana serasera.org", ny mpikarakara ny vohikala "Malagasy eto Italia", otronin'ireo namana mpiandraikitra ny fikambanana "Averiko" sy "Koinina" izay mandalo eto Roma,

dia faly manasa antsika Malagasy rehetra eto Roma sy ny manodidina, hikorana sy hitotorebika amin'ny zoma 15 aogositra 2008 manomboka amin'ny 9 ora alina ao amin'ny "Centro Baobab", via Cupa 5 (mifanapaka amin'ny via Tiburtina 265 - mifanandrify amin'ny vavahadin'ny cimetière Verano).

Tsy hisy vidim-pidirana amin'io fa izay malala-tanàna sy be fandavan-tena hitondra izay voarimbon'ny tànany kosa dia raisina an-tànan-droa sy hisaorana mialoha.

Mifampilazà noho ny hateren'ny fotoana.
Misaotra betsaka.

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso

Andry: 3471432921

Hery: 3387442412

 

Làlana

Visualizzazione ingrandita della mappa