You are here

Fanasana Fetin'ny faran'ny taona avy amin'ny GTM ao Torino.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 30/11/2010 - 17:32

Nohon’ny Fahaterahan’ny Association “Gasy Tsy Manavaka – G.T.M. –” eto Torino ny 9 Novambra 2010 lasa teo dia manasa ny be sy ny maro hiaraka hilanona ao Milano, via Tacito – Corsico (Milano) – (dal tangenziale ovest – uscita via Lorempeggio) sady ho Fiarahabana ihany koa ny Taona Vaovao 2011.

Ny lanonana dia ny Zoma 31 Desambra 2010 manomboka amin’ny 6 ora hariva mandra-maraina. Tsy hisy vidim-pidirana fa “offerta” ho an’ny Fikambanana.
Ny fepetra dia samy mitondra sakafo sy tsakitsaky ary zavam-pisotro hiarahana amin’ny be sy ny maro.

FANDAHARAM-POTOANA:
18h – 19h: Famelabelarana momba ny Fikambanana G.T.M.
19h – 20h: Fisoratana anarana ho an’izay hiditra ao amin’ny Fikambanana
20h – 21h: Fiaraha-misakafo
21h - mandra-maraina: alim-pandihizana

• Ny Mpampandihy dia efa za-draharaha na ny amin’ny mozika malagasy na ny amin’ny
hafa ihany koa.
• Ny fahafaham-po sy ny fahafinaretana dia azo antoka!

N.B.: raha te-hahalala bebe kokoa ny momba ny Fikambanana dia info: 0121/ 91163 na 335
8382871 (Louise) - 339 8195397 (Christian) ary manambara ihany koa izahay fa izay te-hiditra ao amin’ny Fikambanana dia afaka misoratra anarana dieny izao amin’ity adiresy e-mail ity : oasi313@hotmail.it na amin’ny 31 Desambra.

Ireo Mpitarika

 

Associazione “Gasy Tsy Manavaka”
Via Matteotti 20, 10066 – Torre Pellice (TO)