You are here

Fanasana avy amin'ireo mpanao baolina hiatrika ny Mondialido 2012

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 04/04/2012 - 19:19

Ireo namana mpilalao baolina eto Roma di manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka
hiara-hisakafo sy hilanonana amin'izy ireo ny alahady 15 Aprily 2012 ho avy izao,
manomboka amin'ny 12 ora atoandro, izay hatao ao amin'ny Masoivohon'i
Madagasikara, Via Riccardo Zandonai, 84/A.

Izao no atao dia mba
hangatahana tanàna antsika rehetra amin'ny fanohanana ny ekipantsika hiatrika ny MONDIALIDO 2012 eo amin'ny lafiny ara-pitaovana sady araraotina ihany koa ho fotoana hihaonana toy ny mahazatra hatrany.

Isaorana eram-po eran-tsaina sahady ianareo izay afaka ho avy fa ny adidy ho vita ny
fahafinaretana ho azo. Tsy ifanomezan-tsiny ihany koa ho an'izay tsy afaka sy lavitra fa mbola ho zokin'ny aoriana izy ity e.

Taomy avokoa ny tapaka sy namana, tongava maro !

Ny Mpilalao rehetra.
Raha misy mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ireto laharana ireto:
Amedé : 3384575832
Vévé :     3492456568
Herman:   3772750925