You are here

Fanaovam-beloma ny taona 2013 eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 18/12/2013 - 08:16

Ny Malagasy monina eto Roma sy ny manodidina na anaty fikambanana na tsia dia hiaraka hilanonana ao amin'ny ambassade malagasy hitsena ny taona vaovao. Tsy misy mikarakara manokana fa samy efa nandray sy mandray izay vitany sy izay tandrify azy. Ao ny manomana ny mozika, ao ny hanentana, ao ny nanomana sy nanadio ny trano, ny rehetra kosa dia samy hitondra ny sakafo sy tsakitsaky ary zava-pisotro sahaza azy izay hifampizarana.


Fetim-pianakaviana hiarahana sy hanehoana ny fiombonana aty an-tany lavitra aty.
Koa tongava raha resy lahatry ny fihavanana.
Samy ho tratry ny taona e.


Ny toerana dia ao amin'ny Masoivohon'i Madagasikara eto Roma ao amin'ny Via Zandonai 84/A (Roma)

 

Hanomboka amin'ny 8 ora sy sasany alina ny fotoana. Mifampilazà.