You are here

Fanambarana avy amin'andriamatoa Ambasadaoro Razafy Andriamihaingo

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 19/06/2010 - 09:58

FANAMBARAN’NY AMBASADAORO

Mifanojo amin’ny fahadimampolotaona nitsingerenan’ny fahaleovantena ny 26 jiona fetim-pirenena malagasy amin’ity taona 2010 ity.
Samy mientana ho amin’izany avokoa ny olom-pirenena rehetra amin’zao fotoana izao, hiombom-pò amam-panahy amin’izany koa isika Malagasy monina eto Italia sy Grèce ary Turquie.

Tsy zoviana amintsika nefa amin’izao fotoana izao ny rivo-piarahamonina mitsoka ny firenena eo am-panomanana izany fankalazana izany fa, tsy ilay rivo-pitoniana mahazatra ahitam-pihavanana (sy firahalahiana) fa, rivo-mahery arahin-disadisa ombam-pihantsiana ka mety hiteraka fifankahalana sy fifandrafesana mihitsy aza raha tsy voatandrina.

Marihina fa ankoatran’izao fankalazana izao, dia aoka ho tsaroan-tsika hatrany fa eo am-pandrindràna ny fampihavanam-pirenena ny Malagasy any an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, koa manainga antsika rehetra hiombom-pò amam-panahy ary hitrotro am-bavaka mba hahatontosa izany, na aiza na aiza misy antsika.

Manoloanan’izao finiavan’ny ampahan’olona, tari-tokana, manomana hetsika hatao eto anivon’ny “Ambassade” ho amin’izao 26 juin izao, tsy teny nifampierana tamin’ny be sy ny maro na nifanomezamboninahitra mba hatomombana izany fety sy fankalazana ny faha 50 taona izany, fa kosa fanilihana ankolaka ny Malagasy hafa sy ny Ambasadaoro, dia marihina entoana fa tompon’andraikitra feno tanteraka amin’izany fanavakavahana sy ny mety ho fiatraikany hafa mety hitranga ireo andian’olona ireo.

Koa manentana ny olompirenena tsirairay avy ary, mba ho mendrika izao taon-jaobily izao ka hankalaza izany am-pahendrena sy amin’ny finoany avy, ka samy ho tompon’andraikitra fa tsy sanatria hanapaka ny tady izay tsapa ho mihenjan-droa hatrany ankehitriny.

Tsy maintsy natao izao fampahafantarana izao amin’ny maha ray amandreny, mba tsy isian’ny tokantrano mihono, fananana adidy amin’ny fikajiana ny filaminana sy ny fanajàna ny fitondram-panjakana sy ny lalàna Italiana izay mampiantrano antsika. Tandrovan’ny Ambasadaoro toy ny anakandriamaso sady andraikiny rahateo ny mahatomombana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta, koa tsy handeferana ho an’ireo izay mihoa-pefy.
Noho izany dia miankina indrindra amin’ny mahatomombana ary fanajana ireo rehetra ireo no maha mety na tsia ny ho fanatrehan’ny Ambasadaoro ny lanonana rehetra hanasana azy.
Dia mamerina ny fiarabana, firariantsoa, ary fety sambatra feno fanatenana ho antsika rehetra !

Rome faha 18 jiona 2010