You are here

Famaranana ny taona litorjika-n'ny Fiangonana Katolika eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 07/07/2013 - 00:21

Araka ny vaovao nampitaina dia ny 7 jolay 2013 izao no hatao eny amin’ny Fikambanana trinitera (Curia Generalizia), eny via Massimi 114/C ny famaranana ny taom-pikatrohana 2012/2013 ho an'ny Ankohonana Katolika Victoire Rasoamanarivo eto Roma.

Toa izao ny fandaminana amin'izany:

- hatomboka amin’ny 11 ora ny lamesa.
- samy mitondra sakafo ny tsirairay amin’io, ny lahika mitondra sakafo bebe noho ny azy mianakavy ary ny relijiozy tsy mba afaka hanokona kosa mba hiezaka hitondra zava-pisotro sy voankazo hatao tsindrin-tsakafo. Hitondra nofon-kena mitam-pihavanana ny Ankohonana.
- amin’ny 5 ora tolakandro any ho any isika misaraka.

Asaina ho tonga daholo.