You are here

Fahatsiarovana ny 29 martsa hatao eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 23/03/2012 - 17:48

Ny komitin'ny Fiombonan'ny Fiangonana katolika sy protestanta miaraka eto Roma dia manasa ny Malagasy rehetra hiaraka hahatsiaro ny 29 martsa 1947 amin'ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana hiarahana manolotra ny alahady 1 aprily 2012 ho avy izao, ao amin'ny fiangonana valdezy, via VI Novembre 107, manomboka amin'ny 4 ora tolakandro.

Hisy fiarahana miala hetaheta kely aorian'izany ka samia mba mivatsy zava-pisotro sy tohan'aina kely izay zakany mba hifampizarana.

Misaotra indrindra ary mifampilazà fa ny andro hihaonana dia araraotina hatrany e.