You are here

Tsantan'ny FPMR - Fiangonana Protestanta Malagasy eto Roma

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 12/02/2023 - 21:36

 

Tam-pitiavana sy tamin-kafaliana tanteraka ary namelombelon'aina tokoa ny nanotronana ny Fitoriana an-kira ara-pilazantsaran'ny Antoko Mpihiran'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Roma -  "Tsantan'ny FPMR" anio alahady teny Monteverde. 

Natomboka tamin'ny fotoam-bavaka sy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo, narahana ny fitokanana ny fanamian'ny Antoko  mpihira sy nanambarana ny fitsanganany amin'ny fomba ofisialy. Nahafinaritra tokoa ny antsa naharitra adiny roa teo ho eo ary nofaranana tamin'ny fiarahana nanapaka sy nizara mofomamy ary tohan'aina kely ho an'ny rehetra iny tolakandro iny.

Rary soa betsaka amin'ny asa Fitoriana hotanterahana izy ireo amin'ny talentany. Mandrosoa hasina ianareo ary mankasitraka tamin'ny fanasana anay.

Sombintsombiny ihany ireto sary sy hira zaraina ireto fa nisy fotoana koa nankafizan'ny maso sy ny sofina fotsiny wink