You are here

Sorona Masina ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin'i Rija Rakotondrasedo.

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 22/11/2020 - 16:43

 

Bilal, Kamal ary Nadia Tamboura, zanak'i zoky Dama Rakotondrasedo eto Roma,

amin'ny anaran'izy telo mirahavavy aty Eoropa sy ny fianakaviana manontolo any Madagasikara,

dia manolotra fisaorana feno ny fiarahamonina malagasy eto Roma sy Italia sy ny Ankohonana Katolika

niaraka nanolotra ny sorona Masina androany 22 novambra 2020 ho fialan-tsasatry ny Fanahin'ny anadahiny, Rija Dama Rakotondrasedo,  izay nodimandy tany Madagasikara tamin'ny 17 novambra lasa teo.

Sitraka sy telina hono tompoko, tamin'ny fidododoanareo nankahery, nampionona ary niombona alahelo tamin'izy ireo amin'izao andro manjombona izao fa tena maivana ny fo tamin'ny vitanareo ho azy mianakavy.