You are here

Ny Vondrona Saint Augustin nifampiarahaba taom-baovao.

Nampidirin'i Rondro ny Tue, 18/02/2020 - 07:15

 

Toy ny fanaon'ny vondrona Saint Augustin isan-taona, izay vondrona mandray anjara feno amin'ny fiainan'ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, dia tamin'ny alahady 16 febroary teo no niarahana nifaly samy nahatratra ity taona 2020 ity. Fomba iray fanamafisana ny fihavanana sy fanantitranterana ny tanjona sy antom-pisian'ny vondrona ihany koa.