You are here

Ny tarika Brikos Madà nandritra ny fetin'ny Paroasy Santa Maria della Visitazione etsy Casal Bruciato (RM)

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 27/05/2018 - 16:32

 

Ao anatin'ny fankalazana fety lehibe mandritra ny andro maromaro ny paroasy Santa Maria della Visitazione eny Casal Bruciato (Tiburtina/Pietralata) ka anisan'izany ity omaly asabotsy 26 mey ity izay takariva nanatontosana fifaninana amin'ny hay-nahandro ary nafanaina tamin'ny mozika teny ambony sehatra.

Isika Malagasy moa dia efa toy ny zanaka an-trano ao amin'io paroasy io satria eny no matetika ifamotoanana rehefa misy fetin'ny Ankohonana katolika na iraisam-pinoana. Ka isan'ny niakatra an-tsehatra omaly ny tarika Brikos Madà nampiseho ny hira sy gadona malagasy, araka ireto sary sy horonana atolotra antsika ireto.