You are here

Ny Fikambanana Tetezana Onlus teny amin'ny CroEtno Festival 2024

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 07/10/2024 - 11:31

 

Tonga tamin'ny andiany faha-efatra ny CroEtno Festival tamin'ity taona 2024 ity, izay hetsika fampirantiana sy fampisehoana vako-drazana, sakafo, fitafy ary mozika iraisam-pirenena karakarain'ny "Mosaico Italo Croato Roma" isan-taona.

Raha nandray anjara tamin'ny lafiny rehetra i Madagasikara tamin'ny Andiany faharoa tamin'ny taona 2022, niaraka tamin'ny Fikambanana Tetezana Onlus sy ny Kal'Gasy, dia nandray anjara tsotra fotsiny tamin'ny fahatongavana izy tamin'ity taona ity noho ny antony tsy miankina amin'izy ireo satria samy mandalo fotoan-tsarotra kely ny fianakavian'ny andaniny sy ny ankilany ka tsy afaka nifantoka intsony tamin'ilay hetsika. 

Fa tolorana ny fisaorana sy ny fahatsiarovana amin'ny Fandraisana anjara toy ny rehetra hatrany ny Fikambanana, hoy ny mpikarakara.