You are here

Mundialido 2020

Nampidirin'i Rondro ny Sat, 11/07/2020 - 13:03

 

Rehefa nifampiandriandry vaovao teto moa izany dia tonga ny fanambarana avy amin'ny mpikarakara fa dia raikitra ihany ny Mundialido andiany faha-22, rehefa avy niaraka nisedra ny olana goavana nateraky ny valan'aretina CoViD-19 isika teto Italia. Anatin'ny vondrona A misy an'i Albania sy Honduras ary Brésil izay nandrombaka ny amboara 2019 i Madagasikara

Ny sabotsy 4 jolay ary ny kiririoka fanokafana ary teny amin'ny Kianja Totti Sporting Club eny Ostia Antica - ​Via Castelfusano 79 toy ny mahazatra, ka i Albania no ekipa nifandona tamintsika voalohany ary resintsika tamin'ny isa 4 sy 1.
Ny alakamisy 9 jolay kosa no nihaona tamin'i Brésil isika ary niondrika tamin'ny isa mavesatra 7 sy 0.
Ny talata 14 jolay kosa no nifanandrina tamin'i Honduras ka nisaraka tamin'ny isa 5 ho andrizareo ary 3 ho antsika.

Rehefa atao ny tontalin'isa rehetra moa izany dia nihintsana teto amin'ity dingana ity isika. Fa araka ny tenin'ny mpanazatra dia ampy fahaiza-manao tsara ny tanorantsika mila trandrahana tsara fotsiny ka dia hiroso amin'izay mety handaminana an'izay izy ireo ary isika koa hanohana azy ireo hatrany fa mahafinaritra mahita hoe mba miezaka amin'ny lafiny fanatahanjantena koa isika.

Misaotra ny rehetra rehetra, manomboka amin'ny mpilalao, ny mpanazatra, ny nanome tànana tamin'ny lafiny rehetra, ny mpanotrona sy mpanohana na ny tonga teny an-toerana isaky ny lalao na ireo nankahery foana teny amin'ny tambazotran-tserasera. Nahafinaritra koa iny firaisan-kina iny.