Nahafinaritra sy tena naha-afapo izay efatra andro nanotronona ireo atletan'ny Fédération Sport Boules Malagasy tao amin'ny Galoppatoio di Villa Borghese eto Roma.
Naharitra 4 andro ny fifanintsanana, ny 18 ka hatramin'ny 21 septambra lasa teo. Nanana atleta tamin'ny Sokajy dimy isika : Tête-à-Tête dame, Tête-à-Tête Homme, Doublette Dame, Doublette Homme, Doublette Mixte ary nitondra medaly 4 nody :
- 2 medaly alimo tamin'ny Doublette Homme sy Doublette Femme
- 1 medaly volafotsy tamin'ny Tête-à-Tête Homme
- 1 medaly volamena tamin'ny Doublette Mixte
Ny medaly volafotsy azontsika dia nametraka ny atletantsika ho Vice-Champion du monde
Amin'ny tontalin'ny isa azontsika amin'ny sokajy rehetra kosa no itazonantsika ny laharana faharoa aoriandrizareo avy any Thailande.
Mamiratra ny taranja Tsipy Kanetibe malagasy ary maniry isika mba tsy ho ataon'ny Fitondrana zanak'ikalahafa izy ireo eo amin'ny fanohanana na ara-bola na ara-materialy.
Mankasitraka anareo delegasiona malagasy tonga teto Roma izahay zanak'i Madagasikara atý am-pielezana eto Italia fa nampandraisinareo anjara tamin'ny fanandratana an'i Gasikara ihany koa tamin'ny alalan'ny fanatanjahantena manavanana anareo.
Misaotra fa nireharehanay mihitsy ny nampanakoako ny hiram-pirenentsika tamin'ny fanolorona ny medaly volamena ho azy mianadahy, Lova sy Fana. Tsy tany Madagasikara ihany fa tatý amin'ity Madagasikara kelinay eto Italia ity indrindra koa ny mason'izao tontolo izao tamin'io fotoana io.
Afaka mirehareha amin'ny tompon-tanàna eto izahay ankehitriny fa manana atleta matanjaka amin'ity taranja ity na dia firenena tsy dia fantatr'olona loatra aza i Madagasikara noho ny havitsianay.
Fankasitrahana feno :
- ho antsika rehetra eto Roma sy avy any amin'ny Faritra tamin'ny fanotronana teny amin'ny Villa Borghese sy tamin'izay rehetra natolotrareo nentina nampitaovana sy nikarakarana ny delegasionina fa hery lehibe ho azy ireo ireny rehetra ireny
- ho an'ireo namana malagasy avy any Frantsa sy Alemaina ary Monaco nanampy isa anay tamin'ity adidy mahafinaritra ity.
- ho anareo atleta : Lova, Baloty, Tita ary Fana. Ho anareo coach : coach Nanou, coach Cicinne, ny filoha Adrien sady coach mental. Ho an'i Mahefa teo amin'ny "logistique" sy ny serasera.
Rehefa vita ny rehetra natao teny amin'ny Villa Borghese dia niara-nirohotra indray aloha izay tafaraka faramparany teo nitondra ireto "Gladiatori"-tsika teny amin'ny Colosseo, naka sary fahatsiarovana kely satria iny harivan'ny alahady iny ihany izy ireo dia nitodi-doha nankany Frantsa.
Mahaleova, mahalasàna ary misondrotà amin'ny avo hatrany.