Nampidirin'i Rondro ny Tue, 03/07/2018 - 10:07
Amin-kafaliana hatrany no andraisan'ny fiangonana protestanta malagasy eto Roma ireo Raiamandreny am-panahy mandalo tanàna. Toy ny mahazatra dia niara-nizara sakafo tohan'aina aloha ny mpianakavy nialohan'ny nirosoana tamin'ny fizarana sakafom-panahy sady fitondrana am-bavaka ny tanindrazana amin'izao mbola anatin'ny fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantena izao.