You are here

Fivahinian'ny Fiangonana Katolika Malagasy ao Paris tany amin'ny paroasy any Aprilia

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 20/05/2024 - 22:01

 

Nandalo sy nivahiny tao amin'ny paroasy Spirito Santo, izay iadidian'i mompera Kennedy ao Aprilia, ny antoko mpihiran'ny FKMP - Fiangonana Katolika Malagasy ao Paris - ny zoma 9 mey ka hatramin'ny alahady 12 mey 2024 teo.

Ankoatra ny fitsidihana tanàna tany Assisi sy tao amin'ny Vatican dia nisy ihany koa, nandritra izany andro vitsivitsy izany, ny fifanakalozan-kevitra niarahan'ny vahiny sy ny tompon-trano, ny lalao ara-panatanjahantena ary nofaranana tamin'ny Sorona Masina sy fampisehoana vako-drazana ary totorebiky ny mpianakavy ny alahady.

Sombintsombiny tamin'izany ireto zaraina amintsika ireto fa raha mbola misy manana sary tiana ampitaina dia raisina an-tànan-droa.

Mankasitraka ny mpamangy, mankatelina ny mpampiantrano fa ny tanjona tamin'ity fihaonana ity, hoy rizareo Zanaky ny Diosezin'Ambanja eto Italia izay nikarakara izao hetsika izao, dia ny hampivondrona ny mpiray tanindrazana atý ivelan'i Madagasikara atý.