Nampidirin'i Rondro ny Mon, 02/12/2024 - 00:49
Ny zoma 29 sy sabotsy 30 novambra no fotoana nanomezam-boninahitra farany sy niondrehana teo anoloan'ny vata-mangatsiakan'i dadatoa Danny izay nandao antsika tamin'ny 25 novambra lasa teo, ary ny alahady 1 desambra kosa no nanaovana ny adidy farany taminy nandritra ny fotoam-bavaka fankaherezana sy fanotronana ny fianakaviany amin'izao ora manjombona izao.