You are here

Fankalazana ny taona vaovao niarahan'ny tanorantsika eto Italia.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 03/02/2020 - 17:16

 

Tontosa soa aman-tsara ny fety niarahan'ny tanora nankalaza ny taona vaovao, izay natao tao amin'ny ambasady eto Roma omaly. Koa dia mankasitraka anareo rehetra izay tonga nanotrona, sy  ireo naniry ho avy fa tsy afaka. Misaotra ireo nanome tanàna sy torohevitra tamin'ny fikarakarana. Ary indrindra misaotra ny tompon'andraikitra rehetra ao amin'ny ambasady nitsinjo anay ka nanome am-pitiavana ny efitrano fa raha tsy izany dia voatery nitady efitrano malalaka hofaina izahay.

Santatra am-bava rano iny fa ny manetsa be mbola ho avy. Ilaintsika ny fihaonana tsindraindray toa ireny hifankahafantarantsika sy hianarantsika/hanazatra antsika mandray andraikitra. Ary araka ny nolazaina omaly dia maro ny sehatra azontsika tanora handraisana anjara hampahafantarana an'i Madagasikara eto Italia koa dia mifanome vaovao eto ihany isika.

Jaysha Patty Steward.