You are here

'Concistoire', volana jiona 2018.

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 02/07/2018 - 14:57

 

Tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ny Malagasy marobe nanatrika ny Fanandratana ho Kardinaly an'i Mgr Désiré Tsarahazana : Koezy... misaotra tamin'ny nahazoan'i Madagasikara kardinaly.

 

 

Indroa niantoana moa izy ity ka ny sary tapany voalohany dia nalaina ny alakamisy 28 jiona, nandritra ny Fanendrena tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Bazilikan'i Md Piera, izay narahana ny fihaonana sy fandraisan-tanana ny kardinaly vaovao tao amin'ny Efitrano malalaka Paolo VI.

Ny tapany faharoa kosa dia ny alahady 29 jiona, nandritra ny Sorona Masina lehibe fankalazana ny martirin'i Md Piera sy Paoly. Niara-nanolotra izany tamin'ny Ray Masina ireo kardinaly vaovao. Taorian'izay dia nirohotra teny Monteverde avokoa ny Malagasy niaraka nikorana tamin'ny kardinaly : Voatahiry Ato

Ny fotoana toa izao moa, izay ambohipihaonan'ny rehetra, dia nararaotina niarahana hatrany ka misy sombin-tsary tamin'ireny koa notehirizina ato : Voatahiry Ato.