You are here

Alahady nanaovan'ny Ankohonana katolika Vokatra

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 07/11/2021 - 18:44

 

Na nanahirana aza ny fahatongavana tao amin'ny Ankohonana anio  alahady 7 novambra noho ny fisian'ny "Mezza Maratona" tao afovoan-tanàna ka nahatapaka ny làlana rehetra manodidina, dia mbola nanao ezaka ihany ny ankamaroantsika ho tonga satria nanam-bahiny ny Ankohonana dia i Mons. Pier Paolo, talen'ny Ufficio Migrantes ao amin'ny diosezin'i Roma niaraka tamin'ny pretra Filoha Lefitra. No sady nanana adidy amin'ny fanohanana ny Ankohonana ara-bola tamin'ny alalan'ny Vokatra izay natao tao amin'ny Sala Assunta an'ny Chiesa di Gesù.

Vitsivitsy ny sary azo fa nahafinaritra kosa ny fientanam-pon'ny rehetra. Misaotra hatrany ny komity eo amin'ny fikelezana aina hampiroborobo ny fiainan'ny Ankohonana.