You are here

21 aogositra, fankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 22/08/2021 - 10:59

 

Ny 21 Aogositra no andro fahatsiarovana an'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra satria io ny andro nahafatesany izay midika ihany koa fa andro nahaterahany any an-danitra ho an'ny Fiangonana.

Nilatsaka andro sabotsy ny 21 aogositra tamin'ity taona 2021 ity ka nahafahan'ny Ankohonana nankalaza izany ara-potoana fa tsy voatery nahemotra andro alahady toy ny hatrizay. Ka dia tafavory tao amin'ny Oratorio San Francesco Saverio, toeram-piaraha-mivavaky ny Ankohonana mahazatra, ireo ondry izay efa tafaverina na mbola tsy niala tanàna namonjy fialan-tsasatra, nanolotra Sorona Masina niaraka ihany koa tamin'ny solontenan'ny masoivoho sy solontenan'ny fiangonana protestanta rahavavy. Nisy fiarahana mikorana kely taorian'izany ary nifampizarana indrindra indrindra ny mofomamy natolotry ny Fikambanan-dr'i masera Mpanompovavikelin'ny Fo Masin'i Jesoa.

Tolorana fisaorana feno ny rehetra tonga  niombom-bavaka, niara-nifaly sy nivimbina tohan'aina nifampizarana tao, ireo naniry ho avy saingy tsy afaka noho ny antony samihafa, ireo komity tsy nahalala hasasarana tamin'ny fikarakarana.