You are here

11 jolay 2021 : ny Ankohonana katolika teny Subiaco

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 12/07/2021 - 11:59

 

 

 

Ny alahady 11 jolay teo indray no nivoaka kely an'i Roma ny Ankohonana katolika "Victoire Rasoamanarivo", satria samy mahatsapa fa hetsika ilain'ny fiarahamonintsika ireny fiarahana ireny. 

Tetsy Subiaco izany no naleha ka nialoha ny Sorona Masina sy ny sakafo ary ny koranam-pianakaviana toy ny mahazatra, dia natomboka tamin'ny fitsidihana ny Santuario di San Benedetto iny andro omaly iny, izay andro fankalazana an'i Md Benoit indrindra koa.

Tamin'io ihany koa no nanendrena ireo olona 4 hisolo tena ny Ankohonana ao amin'ny biraon'ny FFKM.