You are here

Andron'ny kolotsaina iraisam-pirenena, karakarain'ny Mondo Gondwana ao Brescia.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 29/04/2014 - 17:35

Ny Fikambanana ara-kolotsaina "Mondo Gondwana" ao Brescia, izay ahitana solontenan'i Madagasikara, dia manasa ny rehetra, indrindra isika any amin'ny tapany avaratr'i Italie amin'ny andro iray atokan'izy ireo hanandratana ny kolotsaina sy taozavatr'ireo firenena mitambatra ao amin'ny Fikambanana dia i Mexique, Madagascar, Bangladesh ary Bielorussie.

Izany dia hatao ny sabotsy 10 mey ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora maraina ka hatramin'ny 7 ora hariva ao amin'ny Centro Sociale, ao Toscolano Maderno (BS).

Mifampilazà ary tongava maro

 

PS : Toscolano Maderno dia ao amin'ny Provincia di Brescia, 40 Km avy ao amin'ny "Lago di Garda".

(Via Gardesana, Direzione  Limone e Riva Del Garda.
......Gardone Riviera - Salò - Toscolano Maderno - Gargnano - Limone)