You are here

Alatsinain'ny Paka any Camigliano.

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 23/03/2012 - 09:40

Dia am-pifaliana hatrany koa ny hampandrenesana sy hanentanana ny rehetra hiaraka hitsangatsangana ny alatsinain'ny Paka, toy ny efa nataontsika tany Montecassino tamin'ny taona lasa.

Ho eny Camigliano indray isika amin'ity, tànana kely misy ny Santuario di Leporano (Caserta), tsy lavitra avy eo Naples. I mompera Paul Bernard no handray antsika any amin'ny tokontany malalaka sy ny efitrano lehibe raha sanatria ratsy ny andro, ka isaorana sahady izy.

Ny làlana atao raha mankany dia  ny Autostrada A1, mivoaka eo CAPUA, dia manaraka ny fanoroan-dàlana mankany Camigliano, Santuario di Leporano.

Ny Ankohonana katolika ao Roma sy Naples moa no mikarakara azy ity ka toa zao ny fifandaminana :

-  ny any Naples dia mifanao fotoana eo amin'ny Stazione Centrale di Napoli amin'ny 8 ora  maraina. Iangaviana hiantso an'i Haingo amin'ny finday 328 5920979 izay  handeha fa izy no hanome ny fanazavana fanampiny rehetra.

- ny eto Roma dia haka fiarabe ka 15 € isam-batan'olona toy ny tamin'ny herintaona ihany ny saran-dàlana. Amin'ny 7 ora maraina ny fotoana fiaingana eo amin'ny Piazzale dei Partigiani (stazione ferroviaria Ostiense) toy ny mahazatra. 

Ny fanampim-panazavana dia azo angatahana amin'ireto nomerao ireto :

 

 

Ilazao daholo ny namana rehetra ndrao misy tsy mahita ity fiantsoana ity.

Dia mirary Paka sambatra ho an'ny rehetra ihany koa.