You are here

28 Janoary 2010 Andron'ny Malagasy eto Italia (Fiovana kely)

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 12/01/2010 - 11:05

 

Natokan'ny Provincia di Roma ho an'ny Malagasy sy i Madagasikara ny andron'ny 28 janoary 2010 hihaonany aminy ao anatin'ny sehatry ny "Giornate Interculturali della Provincia di Roma".

 

Adidy sy fanamby mipetraka ho antsika Malagasy rehetra (ankizy, tanora, lahika, relijiozy, pretra) ny fiatrehana io andro io, toy izay efa natao sy hataon'ireo avy amin'ny firenena samihafa, araka ny fandaminana ataon'ny "Provincia di Roma", izay isaorana azy ireo sy ny ao amin'ny Caritas sy Migrantes.

Koa aza hadino ary ny Alakamisy 28 janoary 2010, amin'ny 5 ora hariva tsy diso ao amin'ny

Sala Banca dei Monti di Paschi di Siena.
Via Marco Minghetti 30/a (Fontana di Trevi) Roma

Hilazao sady hasao hiaraka aminao ireo namanao, na vahiny na teratany. 

 

Raha azo atao dia mba makà fierana mialoha amin'ny mpampiasa mba hahafahanao miatrika izany ora roa natokana ho antsika Malagasy izany. 
Hararaoty koa ny andro anaovantsoa fa ny valala tsy indroa mandry am-bavahady. 

 

Agrandir le plan