Inviato da superadmin il Lun, 04/09/2017 - 09:52
Nandritra ny 1, 2 ary 3 septambra teo no nihaona sy nikaon-doha teto Roma ny solontena vitsivitsy amin'ny Zanak'i Madagasikara aty Am-pielezana ao anatin'ny ZAMA Miara-Dia. Ny Fikambanana Tetezana Onlus no tompon'antoka tamin'ny fanomanana, fikarakarana ary fandraisana ny vahiny : Canada, Afrika atsimo, France, Pologne, USA, Angleterre.
Ny alahady tolakandro kosa dia tonga niresadresaka momba ity fihaonana ity tamin'izy ireo ireo zoky raiamandreny ao amin'ny masoivoho.