Tu sei qui

Fihaonana tamin'i Jean Christian Randriamalaza teto Roma

Inviato da superadmin il Ven, 04/11/2016 - 10:39

 

Tamin-kafaliana tokoa no niarahana tamin'i Jean Christian Randriamalaza teto Roma ny 1 sy 2 novambra lasa teo, tamin'ny fiverenany avy tany Carrara izay niadiany ny Unified World Championships 2016 ka nisalorany ny voninahitra Tompondaka Eran-tany amin'ny Boxe Chinoise Full Contact. 

Rehareha ho antsika malagasy tokoa izany manana atleta impito voahosotra ho tompondaka eran-tany izany, hany ka nararaotinay ny fandalovany teto Roma, nialoha ny nodiany any Frantsa, niresadresahana betsaka momba azy sy ity taranja ity, ny hafatra tiany ampitaina ihany koa indrindra indrindra. Ka manasa anareo hanaraka ity horonantsary notontosainay tamin'izany ity.

Na vitsy aza moa izahay no tafahaona taminy satria tsy nisy fiomanana tamin'izany noho ny tsy fahalalana ny fandaharam-potoanany, dia mba afaka niaraka nifandom-bera taminy ihany ny vitsy tafahaona tao, tamin'ny anarantsika Malagasy eto Italia, ary nidedaka tokoa moa izahay izany nikirakira ireo Medaly Volamena sy ilay Fehikibon'ny Mpandresy. Koa isaorana indrindra izy mivady tamin'izay fotoana rehetra natolony tanatin'izay roa andro izay.

Fety tsotra, tsotra tena tsotra toa azy ! Am-panajana tanteraka.

Dia averinay foana hoe : misaotra Christian nanome anay antony mampihambo anay fa Malagasy izahay. Misaotra tamin'ny hafaliana. Misaotra tamin'ny fahatsoranao. Misaotra anareo mivady ary mankasitraka ireo izay nanaiky niara-nanatontosa iny fihaonana iny fa izahay telo mianadahy, Andry sy Rondro ary Hery, na niketrika aza tsy ho vita iny raha tsy nisy anareo rehetra ireo.

Mirary soa hatrany hatrany.

dietro le quintedietro le quinte 1dietro le quinte 2dietro le quinte 3interview en coursIMG_0597IMG_2145IMG_2152IMG_2156IMG_2158IMG_2160IMG_2162IMG_2164IMG_2167IMG_2168IMG_2169IMG_2172IMG_2176IMG_2180IMG_2190IMG_2195IMG_2199IMG_2202DSCN8276DSCN8278DSCN8279DSCN8281DSCN8284DSCN8286DSCN8287DSCN8289DSCN8290DSCN8291DSCN8292DSCN8294DSCN8296DSCN8305DSCN8308DSCN8309DSCN8310DSCN8311DSCN8315DSCN8316DSCN8317DSCN8320DSCN8326DSCN8327DSCN8328DSCN8330IMG_0614IMG_0615IMG_0617IMG_0622IMG_0624IMG_0627IMG_0628IMG_0630IMG_0631IMG_0632DSCN8344DSCN8348DSCN8349DSCN8350