Inviato da superadmin il Lun, 24/08/2009 - 14:41
Fialan-tsasatra nokarakarain'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo ka nanasana ny malagasy rehetra.
16 mianadahy mianaka no nandeha tany Valle d'Aosta nanomboka tamin'ny 17 ka hatramin'ny 22 aogositra 2009. Ny Fikambanan-dr'i Masera San Giuseppe d'Aosta no nampiantrano tao amin'ny "Cascina" eny Variney ary nandritra izay 6 andro izay no nahafahana nitsangatsangana sy nitsidika ny Parc national "Gran Paradiso" teny Cogne ; ny Hospice-n'ireo Chanoines eny amin'ny Col Grand Saint-Bernard sy ny fiompiana ireo karazan'alika saint-bernard ary ny hatsaran'ny zava-boahary eny amin'io toerana io ; nitety sy namantatra ny tanànan'i Aosta ; nankeny amin'ny sanctuaire Notre-Dame de la Guérison eny Courmayeur.