Tu sei qui

Carnaval nokarakarain'ny Fikambanana Gialuma Onlus.

Inviato da superadmin il Dom, 22/02/2009 - 02:05

 

Nahafinaritra ny korana teny amin'ny Palazzo Chigi teny Ariccia ny alin'ny 21 febroary 2009 ; nanohina ny tehaka nandraisana ny solontena avy amin'ny fikambanana Tetezana Onlus sy ireo malagasy vitsivitsy raha niditra izy ireo ; naharavo ny fandraisan'ny Ben'ny tanànan'i Ariccia sy ireo mpiara-miasa aminy an'ireo solontena ireo ; samy afa-po na ny mpikarakara na ny nasaina.

Misaotra betsaka ny Fikambanana Gialuma Onlus amin'izay rehetra ataony hanampiana ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ireo sahirana any Madagasikara.

Amin'ny maha-fetin'ny carnaval azy moa dia mba fangatahan'izy ireo manokana ny nisalorana ireo fitafy mampiavaka ny Nosy.