Tu sei qui

Fanolorana mari-pankasitrahana ho an'i Edith Jaomazava.

Inviato da superadmin il Mer, 05/10/2016 - 22:18

 

Am-pifaliana tanteraka no handraisan-tànana an'i Edith Jaomazava, la Signora della Vaniglia, tamin'izao nanolorana azy mari-pankasitrahana "Standout Woman Award" izao, androany 5 oktobra 2016 teny amin'ny Antenimiera teto Roma, "Camera dei Deputati".

Natolotra azy izany noho ny ezaka rehetra vitany hatramizay ka hatramizao na tamin'ny fampiroboroboany ny raharaham-barotra sahaniny na tamin'ny fikelezany aina amin'ny fanampiana ireo zaza sahirana any an-tanindrazana. Mitondra avo hatrany ny fanevampirenentsika izy ka mendrika fankasitrahana sy fankatelemana ary indrindra fankaherezana sy fanohanana ihany koa.

Mandrosoa hasina, Edith !

(Tsidio ihany koa ny pejin'ny VAOVAO.ORG)