Tu sei qui

Madagasikara nandritra ny Festa dei Colori tao Ciampino

Inviato da superadmin il Sab, 28/05/2016 - 22:38

 

Mankasitraka azy 6 mianadahy (Dina sy Harijaona, Toky sy Haja, Iantsa ary Faniry) nanolo-tena nandray anjara ho an'i Madagasikara, tamin'ny hetsika "Festa dei Colori" nokarakarain'ny Comune di Ciampino, androany sabotsy 28 mey 2016 tolakandro. Misaotra fa nihofahofa niaraka tamin'ireo sainam-pirenena hafa tao ny Fotsy-Mena-Maitso malagasy, nahasintona mpitsidika sy mpividy ireo asa-tànana vitsivitsy naranty, ary nankafizin'ny vahiny koa ny mofo baolina sy sambosa ary ny koba nampanandramana azy ireo tao.