Tu sei qui

Akon'ny Mostra Interculturale tao Brescia

Inviato da superadmin il Lun, 12/05/2014 - 19:30

 

Tontosa an-tsakany sy an-davany ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara voalohany tamin'ny "Andron'ny Kolontsaina Iraisam-pirenena" nokararakarain'ny Fikambanana Mondo Gondwana tany Lago di Garda, Brescia tamin'ny sabotsy 10 mey lasa teo.

Isaorana eram-po eran-tsaina i Lydie tsy nikely soroka, fa na dia vavitokana kely tany aza izy dia nanaiky ny hampahafantatra an'i Madagasikara any amin'ny toerana misy azy any. Io Fikambanana io moa dia ahitana firenena maromaro mikendry manokana ny fifampizarana ara-kolotsaina eo amin'izy ireo.
Afa-po tamin'ny fizotran'izany izy satria dia nanintona sy nahavariana ny mpitsidika ny tantaran'ny Nosintsika. Mbola santatra am-bavarano rahateo iny ka mamporisika azy hatrany sy ireo any amin'ny faritra hafa hitondra avo ny fanevan'i Madagasikara.
 
Indreto ny sary vitsivitsy tamin'izany.
 
.