Inviato da Rondro il Dom, 11/05/2025 - 21:10
Tamin'ny fo feno alahelo no nandraisana ny vaovao tamin'ny alahady 4 mey, izay nilaza fa nodimandry teny amin'ny hopitaly Gemelli eto Roma i neny Jeannine, renin'i John, Jocelyn, Noro ary Mie.
Ny zoma 9 mey no niondrehana farany teo amin'ny nofo mangatsiakany, izay ho entina hody any an-tanin'ny razana amin'ny alarobia 14 mey ho avy izao.
Ny alahady 11 mey kosa no nanolorana fotoam-bavaka ho fialan-tsasatry ny fanahiny sy nankaherezana ny fianakaviana, tao amin'ny eglizy protestanta etsy amin'ny via IV Novembre.
Soava dia, neny, ary mitonia ao amin'ny torimasonao mandrakizay