Tu sei qui

Fankalazana ny Noely tao amin'ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo

Inviato da Rondro il Dom, 25/12/2022 - 14:18

 

"Tany am-boalohany ny TENY, ary ny TENY dia ANDRIAMANITRA, tonga NOFO ny TENY ary niara.nonina tamintsika."

Nahafinaritra ny fankalazana ny fetin'ny Noely androany, na nandritra ny Sorona Masina notarihin'ny aumônier sy ireo pretra rahalahiny na ny fifampizarana "panettone" sy izay voatsirambin'ny tànantsika taorian'ny lamesa. Anterina ny fisaorana manokana ho an'ireo nahafoy fotoana hikarakarana an'izany.

Nisy ny fiarahabana ny Raiamandreny, dada Edmond, ka nanomezana ny solombodiakoho avy tamintsika Ankohonana. Nisy koa ny fisaorana ireo masera 5 mirahavavy nandalo tao amin'ny paroasintsika nandritra ny 1 volana.

Mbola mamerina ny fiarahabana antsika tsy an-kanavaka nahatratra izao andro manan-daza izao.

 

Ny Komity