Tu sei qui

Fandraisan'anjaran'i Madagasikara teny amin'ny Cro Etno Festival

Inviato da Rondro il Lun, 03/10/2022 - 07:42

 

Andiany faharoa ity hetsika natao tamin'ny alahady 2 oktobra ity, izay nokarakarain'ny Fikambanana "Mosaico Italo-Croato" eto Roma. Feo, loko, dihy, fitafy, sakafo mampiavaka ny isam-pirenena no nisongadina tamin'io ary tamin-kafaliana tokoa no nitondrana avo ny fanevan'i Madagasikara.

Efa tamin'ny fiandohan'ny herinandro vao nahazo filazana tamin'ny mpiandraikitra ny #CroEtnoFestival fa afaka mandray anjara i Madagasikara. Tsy nampihemotra sy tsy nampifararemotra antsika izany fa tam-pifaliana tokoa no nahatongavana sy nandraisan'ny rehetra anjara.

Noho izany tsisy fanomanana dihy akory tao fa afindrafindrao fotsiny no saika aseho. Kanefa hoy zareo hoe afaka mampiseho dihy mihoatra ny iray ianareo. Dimy minitra no nananana, nifampiresahana hoe inona no ataontsika. Fa isika moa vahoaka tia mikorana ka dia ny fanaontsika isaky ny fety fihaonana ireny ihany no nitondrana azy nefa dia tsy nitsanga-menatra isika

Mankasitraka ny rehetra tamin'ny fiaraha-mientana. Mankasitraka ireo maromaro nizara ny sary sy horonantsary.

Aza hadino koa mitsidika amin'ny vohikalandrizareo fa feno sary marobe mahafinaritra ao : JEREO ATO