Tu sei qui

Fikambanana Tetezana Onlus teny Ladispoli

Inviato da Rondro il Dom, 25/09/2022 - 08:33

 

Miverina tsimoramora amin'ireo adidy rehetra niantsorohana rehefa tafavoaka soa tamin'ny hamehana ara-pahasalamana ny firenena sy izao tontolo izao.

Hampahafantatra hatrany an'i Madagasikara any amin'ireo tanàna kely mbola tsy mahalala azy no tanjon'ny Tetezana Onlus - Ponte tra Italia e Madagascar ka Ladispoli, tanàna iray amoron-dranomasina tsy lavitra an'i Roma no nanombohana izany ny sabotsy 24 septambra lasa teo. Hampahafantatra an'i Madagasikara amin'ireo mpiara-monina amin'i Giuseppe sy Loredana, mpikambana ao amin'ny Tetezana Onlus, izay vao nifindra monina eny amin'ny faritra iny, sy amin'ny mpiara-mianatra, mpiara-milalao amin'i Toky sy Mirana zanak'izy ireo koa.

Nampahafantarin'i Toky fa tsy i "Madagascar" ilay horonantsary malaza akory no resahana fa ny fiainana tsotra sy ny zava-misy any ka amporisihana ireo tompon-tany sy isika Malagasy ihany koa mba hanome tànana azy ireo amin'izay hetsika karakarainy satria maro tokoa ny zaza misitraka sy mbola hisitraka ny fanampiana azo amin'izany, indrindra amin'ny lafin'ny fianarana sy fitaizana.

Nanararaotra ihany koa izy ireo misaotra ny Maison de Madagascar ao Athènes (Grèce) izay manohana tanteraka ny Fikambanana Tetezana ka nanolotra ireo asa-tànana malagasy tsara tarehy vokarin'izy ireo, nampirantiana sy namidy mba ho entin'ny Fikambanana manatanteraka ny asa soa iandraiketandrizareo any an-tanindrazana.

Adidy tsy an'olon-dratsy hoy izy ireo ka manantena hatrany ny fifarimbonantsika rehetra ! Ary mankasitraka hatrany izay nanome tànana azy ireo hatramizay ka hatramizao.