Tu sei qui

Alahady namangian'i kardinaly Tsarahazana ny Ankohonana V. Rasoamanarivo eto Roma

Inviato da Rondro il Gio, 12/05/2022 - 10:40

 

 

 

Fifaliana be toy ny mahazatra no nifampizaràna niaraka tamin'ny kardinaly Désiré Tsarahazana izay nahafoy fotoana namangy ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma ny alahady 8 mey 2022 teo. Isaorana azy tanteraka izany. Fetin'ny "Mpiandry Ondry Tsara" rahateo io alahady io ka mainka koa nanome lanjany be ho an'ireo relijiozy iny fankalazana iny.

Mankasitraka ny komitim-piangonana manontolo teo amin'ny fikarakarana sy fandaminana ary koa ny nofon-kena mitam-pihavanana natolotrareo. 

Dia misaotra ihany koa ireo izay nifarimbona tamin'ny fandraketana an-tsary sy horonana iny andro nahafinaritra iny.

Mirary soa ho an'ny rehetra.

N.B : Raha misy sahirana mamoha ny youtube dia afaka mijery ny horonana ato amin'ny facebook ihany koa :
https://www.facebook.com/100014456643200/videos/1817235651818535