Tu sei qui

Fankalazana ny faha-200 taonan'ny Fikambanana Suore Ospedaliere della Misericordia.

Inviato da Rondro il Ven, 02/07/2021 - 21:50

 

Anio 2 jolay 2021 no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-roanjato taona niorenan'ny Fikambanana Suore Ospedaliere della Misericordia ka Sorona Masina lehibe teo an-tokotanin'ny Ospedale San Giovanni Adolorata, izay hopitaly tena iasan-dry masera hatrany am-piandohana no nanamarihana izany.

Miarahaba ny Fikambanana ary mirary soa ho azy ireo hatrany amin'ny fandavan-tena lehibe manoloana ny adidy iantsorohan'izy ireo. Araka ny toritenin'ny Eveka nitondra ny Sorona Masina hoe sady mikarakara ny vatana marary no mikarakara ny fanahy izy ireo.