Tu sei qui

Mundialido 2021

Inviato da Rondro il Dom, 20/06/2021 - 16:59

 

Hotsofina amin'ny 23 jona 2021 izao ny kiririoka fanokafana ny lalao iraisam-pirenena Mundialido 2021 izay fanao isan-taona eto Roma. Andiany faha-23 izy ity ka mbola vonona handray anjara hatrany i Madagasikara. Mankasitraka sy manohana ny tanorantsika hatrany isika ary mankasitraka indrindra ireo avy any amin'ny faritany nahafoy fotoana niakatra eto Roma hanatevin-daharana ny ekipan'i Madagasikara. #Alefaaaaa

Ny sary dia tehirizintsika ato isaky ny andro ilalaovana, ka anombohana azy ny lalaom-pirahaliahana nihaonan'izy ireo tamin'ny ekipan'ny El Salvador androany alahady 20 jona ka nandresen'ny malagasy tamin'ny isa 4 sy  2.

****************

Ny sabotsy 26 jona 2021 tamin'ny 9 ora sy fahefany alina no lalao voalohany nifandonan'i Madagasikara tamin'ny ekipan'i Bangladesh teny amin'ny Kianja R. Fiorentini eny La Rustica ary dia nitondra fandresena tamin'ny isa 6 sy 1 isika malagasy. Mankasitraka e ! 

****************

Ny alarobia 30 jona 2021 dia ny ekipan'i Sénégal no nifanandrina tamintsika. Niady mafy isika ary tsy nifararemotra nanoloana ny habem-batandrizareo. Saingy niondrika tamin'ny isa 4 sy 1, izay inoana fa ho arenintsika amin'ny lalao manaraka. Tsy nahatombina ary tsy nangina mihitsy ny mpanohana nandritra 90 minitra. Midika zany fa tena nafana izy tao. Misaotra hatrany an'ireo tanora nampitaintaina anay e !

****************

Ny sabotsy 3 jolay indray isika nifandrina tamin'ny ekipan'i Venezuela ka nisaraka tamin'ny isa sahala : 2 sy 2. Kanefa manatombo isika amin'ny filaharana ankapobeny ao amin'ny "Vondrona E" misy antsika ka dia miakatra hiady ny am-pahavalon-dàlana isika izany.

****************

Ny talata 6 jolay ary no nihaonantsika tamin'ny ekipan'i Cap Vert teo amin'ny ampahavalon-dalana ary nandresentsika tamin'ny isa 2 sy 0. Izany dia mitondra antsika amin'ny dingana manaraka : am-pahefa-dàlana !!!
Manohana hatrany, mirary hery sy tanjaka ary finiavana feno ho an'ireo tanorantsika ka ho entintsika mody ny amboara amin'ity taona ity. 

****************

Ny sabotsy 10 jolay no nifanandrina tamin'ny ekipan'i Italie isika teo amin'ny am-pahefa-dàlana ary niondrika tamin'ny isa mavesatra 5 sy 0.
Nifarana teto amin'ny ampahefa-dàlana ny lalao #Mundialido2021 ho an'i Madagasikara. Manantena isika fa hanao tsara be noho izay tsara vita tamin'ity 2021 izay izy ireo amin'ny herintaona. 

Nalahelo. Sorena kely. Kanefa ampanjakaina ny fair-play amin'ny fanatanjahantena. Izay nanaraka ny lalao dia mety nahatsapa ny fitongilanana nataon'ny mpitsara. Satria raha ny tokony ho izy angamba tsy tokony ho mpiray tanindrazana amin'ny ekipa mifanandrina no tokony ho mpitsara ny lalao. Ankoatra izay koa dia vitsy no afaka nilalao androany. 2 fotsiny angamba ny mpilalao fiandry teo izay.

Tsy hanadio ny faharesentsika isika. Asa raha afaka mangataka VAR mba hampitony ny fontsika diso fanantenana sy tohina izay. Fa ao e, tsy mahazo miondrika be fa ny faharesentsika androany ataontsika angovo hiandrandrantsika ny fandresena amin'ny ho avy.

Misaotra anareo rehetra rehetra teny ambony kianja niantoka ny voninahitr'i Madagasikara.
Misaotra ny mpanazatra tamin'ny torohevitra sy fampianarana nomeny.
Misaotra ny mpanohana mahafatrapo rehetra - isaorana manokana ireo tonga maro teo fa tamim-pifaliana no nahitana anareo tao.
Misaotra anareo ao amin'ny masoivoho tamin'ny fikarakarana tam-pitiavana ny 3ème mi-temps fa nilaina koa ireny, tsy nanohanana aina fotsiny fa niarahana, nifankahalalana sy nitafatafana ihany koa.

Mirary soa ho antsika rehetra. Onera be ny lanin'ny mpikarakara, ny lanin'ny mpahonana nivezivezy teny, ary mahazoa aina soa aman-tsara ianareo mpilalao nitondra takaitra kely isaky ny nilalao.

Am-pitiavana be

------------------

Lalao voalohany : Madagasikara vs Bangladesh

 

Lalao faharoa : Madagasikara vs Sénégal.

 

Lalao fahatelo : Madagasikara vs Venezuela

 

Lalao fahaefatra : Madagasikara vs Cap Vert amin'ny am-pahavalon-dàlana

 

Lalao fahadimy : Madagasikara vs Italia teo amin'ny am-pahavalon-dàlana.

 

 

Ny sary rehetra :