Tu sei qui

Lalaom-pirahalahiana ho fanomezam-boninahitra an'i Amédé.

Inviato da Rondro il Mar, 07/01/2020 - 09:42

 

Isan'ny tena mba nilofosan'i Amédé teto Roma ny hanondrotra an'i Madagasikara teo amin'ilay hetsika baolina kitra antsoina hoe "#Mondialido". Tsy dia eny ambony kianja manenjika baolina loatra ny tena talentany fa manome toro-marika amin'ny maha Coach azy.

Nanapa-kevitra ary ireo mpilalao ny Mondialido tanora sy tranainy fa hanao fihaonana ara-panatanjahantena ho fanomezam-boninahitra azy tamin'ny alahady 5 janoary teny amin'ny Kianjan'ny Re Grano eny Vitinia.

Nahafinaritra ny fihaonana. Tonga maro ny mpilalao sy ny mpijery...amin'ilay itiavan'i Amédé azy mihitsy.

Tamin'io fotoana io no nanaovan'ny rehetra sonia ilay maillot laharana 20 nisaloran'i Amédé voalohany tamin'ny Mondialido. Noheverina hoe hampanarahana azy any amin'ny mandrakizay ilay izy fa nangataka kosa ny fianakaviana ny hikajiana azy anaty vata fitaratra ka hijanona ho fahatsiarovana ho azy ireo.

Tsy ho maty am-pontsika akory izy.
Mankasitraka e.

A-Dio Coach !