Tu sei qui

Fitoriana an-kira ara-pilazantsara

Inviato da Rondro il Lun, 30/01/2023 - 13:31

Hoy ny Tompo maniraka : "Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." (Marka 16:15)

Araka izany dia manasa anareo izahay Antoko mpihira ato amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy eto Roma ho tonga amin'ny Fitoriana an-kira izay ataonay ny

alahady 12 Febroary 2023 ho avy izao, manomboka amin'ny 2 ora tolak'andro tsy diso
ao amin'ny  via Maurizio Quadrio, 23 (Monteverde)

Hisy ny fotoam-bavaka arahina fandraisana fanasan'ny Tompo mialoha ny fotoana iarahana amin'ny Mpanompon' Andriamanitra Pastora Tahina Rahandrifenosoa [Marka 16:15 - Pst Tahina]

Manantena anareo ho tonga maro izahay. Sitrakay raha mba ilazanareo koa ireo tsy nahare ity fanasana ity. Mankasitraka.