Tu sei qui

Fampitam-baovao fanavaozana pasipaoro

Inviato da superadmin il Mar, 14/01/2020 - 17:47

Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Italia dia mampita amin’ny teratany malagasy rehetra monina eto Italia fa manomboka ny FANAVAOZANA PASIPAORO ANDIANY VOALOHANY ho an’ireo pasipaoro NOMENA TAORIAN’NY TAONA 2014

Ireto avy ireo antotan-taratasy ilaina amin’izany ary afaka aterina mivantana eto amin’ny Biraon’ny Masoivoho eto Roma, manomboka ny 15 janoary 2020 ka hatramin’ny 02 febroary 2020 amin’ny 12 ora atoandro.

Marihina fa ny fanavaozana ny PASIPAORO IZAY NOMENA TAORIAN’NY 2014 IRERY IHANY no voakasik’ity filazana ity, hoampitain’ny Masoivoho miandalana amintsika ny momba ireo tranga hafa tsy voakasik’ity fampitam-baovao ity.