Nampidirin'i superadmin ny Sat, 13/06/2015 - 20:04
Ny sabotsy tolakandro, niresadresahana momba ny Malagasy eto Italia sy nifampizarana traikefa : mpianatra, mpiasa, mpandraharaha, sns, ary nilazalazana momba ireo vondrona sy fikambanana isan-tsokajiny misy eto Roma.
Afa-po izahay tonga tao, na malagasy na vahiny, na vitsy dia vitsy aza noho ny fahafohizan'ny fotoana nanomanana azy. Tena santatra am-bavarano tokoa iny nefa tena nahatsapana fa ilaina tokoa ny hetsika toy itony, araka ny voalazan'ireo izay niresadresaka. Ny manetsa be mbola ho avy e !
Mbola hitohy rahampitso ny koranantsika izay mahita ity hafatra ity androany, tongava o !