Indroa miantoana ny fankalazana ny Fetim-pirenentsika eto Roma amin'ny alahady 26 jiona 2011 ho avy izao :
Ny maraina amin'ny 11 ora sy fahefany no hanasana sy hiantsoan'ny KOMITIN'NY FFKM eto Roma antsika Malagasy rehetra hanatrika ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA ho FISAORANA sy FANOMEZAM-BONINAHITRA AN'ANDRIAMANITRA ary ho FANGATAHAM-PITAHIANA ho an'ny Tanindrazana.
Ny toerana dia ao amin'ny Via del Seminario, 120 (Collegio San Roberto Bellarmino) 00186 Roma.
Ny komitin'ny FFKM eto Roma
°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°°
Ny hariva kosa dia ireo Raiamandreny ao amin'ny Masoivoho no manasa antsika Malagasy tsy ankanavaka hifampizara ny Nofonkena mitam-pihavanana eny amin'ny foibe, via Riccardo Zandonai 84, hanomboka amin'ny 6 ora hariva.
Samia mba mifampilaza sy mifampita hafatra noho ny fotoana efa teritery ka sao maro ny tratra antso
Dia mirary antsika rehetra hahatratra soa ny Asaramanitra e !